Mankafy ny tetikasa paikady sy fahombiazana. Nandray anjara tamin’ny fahombiazana orinasa nandritra ny taona maro. Akaiky ny olona, mavitrika ary tomponandraikitra tanteraka ao anatin’ny sehatra misy azy. Manintona azy rehefa fanamby na toy inona na toy inona habeny. Manana fahatokisana tanteraka ny kolontsaina LEAN.
Na dia any amin’ny orinasa madinika aza, dia misy fahaizana na fahombiazana lehibe azo avoitra.
Anisan’ny manampahaizana maneran-tany amin’ny Fivoarana mitohy. Mpampiely tsy manan-tsahala an’izany miaraka amin’ireo sariolona noforonina oentina maneho an-tsary ny tontolon’ny LEAN any anaty orinasa. Miaraka amin’ny famakafakàna sy fahaiza-mamorona, dia mino izy fa ny orinasa madinika sy salantsalany dia mitahiry harena miafina.
Olon’nyfanovàna manan-talenta manampy ireo fikambanana iraisam-pirenena hanatsàra ny efa zava-bitan’izy ireo amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa mivantana amin’ny mpiasa ao aminy. Tafiditra ao anatin’ny fahaiza-manao : ny Lean Manufacturing, ny Kaizen, ny Six Sigma, ny Fahaiza-mitantana fanovàna, ny Coaching, ary ny Fikojakojàna & Azo antoka.
Filohan’ny ACPEna Fivoarana Mitohy avy amin’ny Mpiasa.
Manampahaizana amin’ny fampiasàna ny fitaovana LEAN Six Sigma | Laharana voalohany tamin’ny fifaninanana Prix Bravo | « Former des ceintures noires sur l’animation Kaizen en France » (Mampianatra olona manam-pahaizana amin’ny fanentanana Kaizen eto Frantsa).
Mpiara-miasa miaraka amin’ny ACPE

Ny Mpanosika dia mitarika ny ekipany handroso. Izy dia mpamorona, olo-mazoto, tsy dia tena mandinika tsara fa avy dia mihetsika avy hatrany, olona entanin’ny hevitra vaovao. Maneho tsotra izay eritretiny izy ary mitady fankasitrahana.

Ny Sahisahy dia olon’ny filaminana sy ny fanarahana fitsipika, manome lanja manokana ny fanatratrana ny tanjona izy. Mamporisika an-tery ny hafa izy satria alohan’ny zavatra rehetra dia mitady vokatra izy.

Ilay Mpandinika dia mila antoka, zava-misy mivaingana sy porofo. Izy dia miasa milamina miaraka amin’ny drafitra mazava tsara. Ny toetrany misaina sy mahay mandanjalanja dia mahatonga azy lasa mitazona ny toeran’ny mpanoro hevitra.

Ilay Mizaka dia mandray ho zava-dehibe ny fifandraisan’olombelona. Manao izay hitazonana fiaraha-monina tsara ao anaty ekipa izy. Ankasitrahan’ny hafa izy noho ilay toe-tsainy tia mandamina.