Fomba fiasa mavitrika sy vaovao oenti-manohana, sy fiofanana natao indrindra hoan’ny orinasa madinika sy salantsalany izay tena maniry hanao ny dingana voalohany miaraka amin’ny ekipany, ho amin’ny fiovàna kolontsaina LEAN na eo amin’ny sehatra stratejika izany na asa mivantana.
Tsotra, mahomby ary voasedra, ny fomba fiasanay dia hampisy fiantraikany tsara, amin’ny fandraisan’ny ekipa anjara mankany amin’ny tanjona izay misy dikany.
Fiaraha-mizotran’ny ekipa tsikelikely mankamin’ny fiovana kolontsaina marina :
Fahombiazana azo avy hatrany, 20 hatramin’ny 30%.
Fiantraikany mafonja amin’ny endrika matihanin’ny orinasao.
Fahadiovana sy filaminana any amin’ny sampana rehetra
Fihenana azo tsapain-tanana eo amin’ny fahadisoana sy ny famerenan’asa.
Fahatsapanao fahatokisana eo ho eo rehefa mampahafantatra sy mitondra mpitsidika ny orinasanao ianao, na ireo mpanjifa ankehitriny na ho avy, na ihany koa ireo mpamatsy entana sy mpiara-miasa amin’ny afera.
Hafaliana sy rehareha ho anao ny mampahafantatra ny orinasanao any amin’ny tranonkala, any amin’ny tambajotra sosialy sy any amin’ireo antontan-taratasin’ny orinasanao.
Hisy fotoana matetika, manolotra ny ekipan’ny orinasao fampiofanana fanatsaràna zava-bita sy fanaraha-maso fahatomombanana izahay, mba ho lasa tena mandeha ho azy ny kolontsaina LEAN.
