Miara-dia aminao BLEAN amin’ny fampivelarana ny fomba fiasa LEAN mifanaraka amin’ny orinasanao. Lasa hanana ireo fahaiza-manao tena ilaina ianao mba hampiditra sy handavorary ny kolontsaina LEAN ao amin’ny orinasanao manokana. Vetivety nefa miaraka amin’ny ezaka kely monja, dia hahita ny tombontsoa nateraky ny fampidirana ny fitaovana LEAN ny orinasanao manontolo.
Ny fomba fandraisana anjara, fitantanana ny fanovàna, fanoherana fiovàna sy ny fomba fitarihana sy fanentanana fivoriana.
Ny fitsipika 5 tari-dalan’ny LEAN, ny fototra 8-n’ny fandaniam-poana, ny taridalana LEAN, ny taridalana Six Sigma, ny taridalana DMMAC sy ny taridalana Kaizen.
Ireo “Fa Maninona” 5, PCCP na MRP, ny lasitra “Ezaka/Tombontsoa”, ny 6M, ny Tabilaon-tsary ara-isanjato Antony/Vokany, AMDEC, brainstorming (na Fivoriana fampiadiana hevitra hitadiavam-bahaolana), pareto sy PFVA.
FIPEC, sarintanin’ny “chaîne de valeur” (na ny ambaratongana dingana oentina mamaritra ny lanjan’ny asa tsirairay ao amin’ny orinasa handinihana izay afaka mamorona lanja kokoa) fomba namoronana ny lanja, ny sata mifehy ny fanaraha-maso ny fomba fiasa, SMED fotoana fiaingàna, ISMEC, MAT, fanamarinana Poka-Yoke sy Kanban.
5S, TRG na OEE, atrikasa fitsikerana ny fitaovam-piasàna rehetra sy fanombanana ny loza mety hitranga.
Fampiofanana ara-tsaina ary indrindra fampiharana hoan’ireo Fehikibo fotsy, maintso na mainty, ireo mpampiofana LEAN sy/na Kaizen ary manam-pahaizana rehetra amin’ny fampiasàna ny fitaovana LEAN.