TOROMARIKA FAMPIASANA NY TRANONKALA BLEAN.
IANGAVIANA IANAO HAMAKY TSARA IRETO TOROMARIKA MANARAKA IRETO ALOHAN’NY HAMPIASA NY TRANONKALAN’NY BLEAN.
HOAN’IZAY REHETRA VOALAZA, IZAY REHETRA MIRESAKA MOMBA NY TRANONKALAN’NY BLEAN DIA MANONDRO NY TRANONKALA FOIBE SY IREO TRANONKALA MIFANDRAY AMINY.
1.2. Ireto toromarika fampiasa ireto dia mety hisy fiovàna, fanampiana na fanafoanana amin’ny fotoana rehetra. Izay fanovàna rehetra dia haseho eto amin’ity pejy ity. Ankoatr’izay, raha toa izahay ka manao fanovàna lehibe amin’ity toromarika fampiasa ity, dia hapoitra farafahakeliny telopolo (30) andro izany alohan’ny tena fampiharana azy, ary izay mpampiasa nandefa ny adiresiny mailaka taminay dia hampandrenesina izany fanovàna izany mivantana amin’ny mailakany. Iangaviana ianao hamaky izany toromarika fampiasa izany matetika sao nisy fanovàna natao taminy.
1.3. Raha toa ka tsy ekenao ny ho voafatotra amin’ireto toromarika fampiasa ireto, dia tsy tokony hampiasa ny tranonkalan’ny BLEAN ianao.
2.1. BLEAN dia mitrangraka ny tranonkalany avy eny amin’ny biraony ao amin’ny faritanin’i Québec, ao Canada. BLEAN dia tsy manambara fa ny zavatra rehetra ao anatin’ny tranonkalany dia tsy miasa ihany koa any an-toeran-kafa. Ny olona izay mitsidika ny tranonkalan’ny BLEAN dia manao izany amin’ny nahimpony ary tomponandraikitra izy ireo manaja ny lalàna velona mahakasika izany.
2.2 Amin’ny fampiasanao ny tranonkalan’ny BLEAN, dia mankato sy manaiky ianao fa ireto toromarika fampiasa ireto dia fehezin’ny lalàna manankery ao amin’ny faritanin’i Québec, ary izay fifandirana mipoitra, na misy ifandraisany amin’ny fampiasàna ny tranonkala sy ny tolotra aterineton’ny BLEAN dia ny lalàn’ny fitsaràna ao amin’ny faritr’i Québec, faritanin’i Québec no manankery.
3.1. BLEAN dia afaka manova, mamerina na manala tanteraka ny zavatra rehetra ao anaty tranonkalany, amin’ny fotoana rehetra, anisan’izany ny asa mbola misy toerana na tsia, ny angon-drakitra na izay voarakitra ao. BLEAN dia afaka manisy fetrany amin’ny zavatra sasantsasany ihany koa, na mametra ny fahazoandalana miditra amin’ny faritra sasany ao amin’ny tranonkalan’izy ireo tsy misy fampandrenesana ary tsy mampiditra andraikitra azy ireo.
4.1. Izay rehetra raketin’ny tranonkalan’ny BLEAN dia natolotra hampiasainao hoan’ny tenanao manokana ary tsy natao hamidy. Voarara ny fampiasàna izay rehetra voarakitra ato anatin’ny tranonkalan’ny BLEAN ho an’ny tanjona ara-barotra na dokambarotra raha tsy nahazoana alalana an-tsoratra avy amin’ny BLEAN.
——
5.1. Ny tranonkalan’ny BLEAN dia mety ahitàna rohy “liens hypertextes” mankamin’ny tranonkala tantanin’olon-kafa. Rehefa mikitika ny iray amin’ireny rohy ireny ianao, dia mety hisy fotoana miala mihitsy ny tranonkala BLEAN. BLEAN dia tsy manana fahefana amin’ireny tranonkalan’olon-kafa ireny. Ireny tranonkala ireny dia trandrahan’ny olona hafa, ary BLEAN dia tsy miantoka na dia kely aza ny kalitao sy ny voarakitra ankapobeny anatin’ireny tranonkala ireny, na ny kalitaon’ny entana izay atolotra ao na ny fiarovana ny fifanarahana ara-barotra izay mety hataonao ao amin’izany tranonkala izany. Ny fisehoan’ireny tranonkala ireny ao anatin’ny tranonkalan’ny BLEAN dia tsy midika fa mankato azy ireo ny BLEAN, ary BLEAN dia tsy miditra andraikitra velively amin’izany. BLEAN dia tsy azo tazonina ho tomponandraikitra amin’ny fahavoazana mety hitranga amin’ny fampiasàna ireny tranonkala ireny. Ny fitarainana mahakasika ireny tranonkala ireny dia tokony hampitaina amin’ny mpitantana ireny tranokala ireny ihany.
6.1. Ny mari-pamantarana tsena sy ny sary famantarana « logos » nampiasaina na aseho ao amin’ny tranonkalan’ny BLEAN dia mari-pamantarana tsena sy sary famantarana voasoratry ny BLEAN na olona hafa ara-dalàna. Tsy misy na inona na inona ao amin’ny tranonkalan’ny BLEAN azo adika mivantana na an-kolaka, fa azo ampiasaina izany mari-pamantarana tsena na sary famantarana izany nefa tsy nahazoana alalana mialoha sy an-tsoratra avy amin’ny tompony. Tsy mampihena ny lanja ankapoben’izay voalaza teo aloha, voarara tanteraka ny maka tahaka ireo mari-pamantarana tsena sy sary famantarana izay mipoitra ato amin’ny tranonkalan’ny BLEAN hoentina manao raharaha ara-barotra na dokambarotra na oentina hampitomboana ny isan’ny mpitsidika ny tranonkalanao raha tsy misy fankatoavana mialoha sy an-tsoratra avy amin’ireo tompony avy.
6.2. Ny zavatra rehetra ato anatin’ny tranonkalan’ny BLEAN (anisan’izany ary tsisy fetrany : ny andalan-tsoratra, ny lahatsoratra, ny sary nalaina tamin’ny fakantsary, ny sarisary, ny sary noforonina, ny ampahana horonam-peo sy horonan-tsary na rindrambaiko – logiciels) dia voaaron’ny zon’ny mpamorona ary fananan’ny BLEAN na ny olona hafa izay mitondra tena ho mpamatsy votoatiny ao amin’ny tranonkala. Ankoatran’izay efa nanaovana fanamarihana manokana, dia tsy misy na inona na inona ao amin’ny tranonkalan’ny BLEAN azonao raisina ho toy ny manome fahefana anao na dia kely aza mahakasika ny fananana ara-tsaina an’ny BLEAN na olona hafa mitondra tena ho mpamatsy voatoaty.
6.3. Miankina amin’ny fizaràna faha-6.4., tsy azonao atao ny manao kopia, mamerina, manova, mampiseho ho hitam-bahoaka, mizara na mandray anjara amin’ny famindràna na famarotana, na mamorona vokatra avy aminy, manao dikan-teny, misintona (téléchargement), manome fahazoan-dalana, na mitrangraka amin’ny fomba hafa na dia zavatra faran’izay kely aza izay rehetra ato anatin’ny tranonkalan’ny BLEAN (anisan’izany ny rindrambaiko – logiciels) na manontolo na ampahany.
6.4. Azonao atao ny misintona na manao kopia ho ampiasainao hoan’ny tenanao manokana ary tsy hamidy ny zavatra ato anatin’ny tranonkalan’ny BLEAN, raha toa ka efa nanao raharaham-barotra tamin’ny BLEAN ianao mba hahazoanao ireo zavatra voatondro, na raha toa ka tazominao daholo ireo fampilazàna manondro fananan’ny mpamorona mifandraika amin’ireo zavatra ireo. Ny fanaovana dika mitovy na fitehirizana ny zavatra rehetra hoan’ny tanjona hafa noho ny fampiasàna hoan’ny tena manokana dia voarara mafy, raha tsy nahazoana alàlana mialoha sy an-tsoratra avy amin’ny BLEAN na ny miandraikitra ny zon’ny mpamorona voatoandro ao anatin’ny fampilazàna fananana ara-tsaina.
7.1. Manome teny ianao avy amin’izao fepetra ankapoben’ny varotra izao, fa hanome onitra, miaro ary manala ny BLEAN, ireo mpitantana, mambran’ny fitantanana, ireo tomponandraikitra ambony, mpiara-miombon’antoka, mpiasa ao amin’ireo orinasa miara-miasa, solontena sy mpamatsy ny votoaty ; amin’izay mety ho andraikitra mifanaraka amin’ny resaka fitakiam-bola amin’ny renivola, zana-bola, sanda aloha araka ny làlàna na ivelan’ny lalàna, sy fahavoazana hafa, anisan’izany ary tsy voafetra, ny sanda antonony aloha araka ny lalàna efain’ny BLEAN noho ny fitarainana, zavatra natao, fanenjehana na fihantonana (« Fitarainana ») n’inon’inona izany, izay nitranga noho ny tsy fanarahanao ireto Fepetra mahakasika ny fampiasàna ny tranonkala ireto. BLEAN dia mitahiry ny zony handray anjara amin’ny fiarovan-tena amin’izany karazana Fitakiana izany, sy ho afaka soloin-tenan’ny mpisolovava safidiany.
8.1. Ny tranonkalan’ny BLEAN sy izay rehetra voarakitra ao dia atolotra anao « araka izay endriny ao” ary tsy misy sarany avy amin’ny BLEAN, tsy misy fiantohana na toy izany, na ambara amin’ny fomba mazava sy ofisialy izany na ankolaka, anisan’izany ary tsy misy fetrany ny fiantohana titra na fiantohana ankolaka ny kalitaon’entana na fahaizana hoana tanjona iray, fampiasàna azy, fahavononany ho azo ampiasaina , maha-ara-dalàna azy na tsia, fahamarinany, fahatokisana azy manokana ; mifandraika amin’ny zavatra nalaina tahaka avy ao anatin’ireo tranonkala voatanisa, na mifandraika amin’ny vokatra izay nitranga tamin’ny fampiasàna izany singa izany. Tsy mampihena ny lanja ankapoben’izay voalaza teo aloha, BLEAN dia tsy miantoka izay mahakasika ny natiora ankapoben’ny vokatry ny fikarohana nataonao tao amin’ny tranonkalany. Ianao dia manaiky avy amin’izao Fepetra izao ary mankato fa ny fampiasànao ny tranonkalan’ny BLEAN dia ataonao amin’ny nahim-ponao irery ihany.
——
8.2. BLEAN dia tsy miantoka ny fahamarinana tanteraka na fahamarinam-pototra, ary tsy manohana na hevitra, fampilazàna na fanehoan-kevitra na inona na inona izay mipoitra na zaraina ao anatin’ny tranonkalany ataon’ireo mpampiasa, na mpamatsy votoatiny na olona hafa n’iza n’iza.
8.3. BLEAN dia miala andraikitra tanteraka amin’izay fahadisoana mety misy ao anatin’ny tranonkalany. Arak’izany, BLEAN sy ny mpamatsy votoaty hafa ao amin’ny tranonkalan’ny BLEAN, ireo orinasa mpiara-miasa amin’izy ireo, mambran’ny fitantanana, mpiasa, solon-tenan’ny orinasa na mpanelanelana, dia misy tsy azo tazonina ho tomponandraikitra amin’ny fahavoazana izay mety mitranga mifandray mivantana na an-kolaka tamin’ny fampiasàna ny tranonkalan’ny BLEAN, singanina manokana ny fahaverezan’ny angondrakitra (données) na ny tombontsoa tokony ho azony vokatry ny fampiasany izay hitany tao anatin’ireny tranonkala ireny, ny fahadisoana na fanadinoana voarakitra any anatin’ireny singa ireny, na ny tsy fahafahana mampiasa ireny singa ireny.
9.1. Raha toa ka manana fitarainana ianao mahakasika ny fandikan-dalàna momba ny zon’ny mpamorona amin’ny fitaovana na vokatra na inona na inona izany izay mipoitra ato amin’ny tranonkalan’ny BLEAN, na koa momba zavatra hafa mifandraika amin’izany, dia azonao atao ny mifandray aminay amin’ny : info@blean-strategie.com